Teny fanolorana

Miarahaba anao tonga soa hiaraka hitety sy hizaha ity tranon-kala vaovao ity ny tenako, amin'ny anaran'ny mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny poeta sy mpanoratra Malagasy UPEM-Havatsa sampana Frantsa. Antsoiko hoe fehim-pihavanana izy ity satria ny fihavanana no efa nitaizan'ny Razana  antsika ary mbola ampahatsiahiviny antsika isan'andro raha niteny izy hoe : « Ny misaraka fasika ny miray vato », «Tondro tokana tsy mahazo hao » « Izay mita be tsy lanin'ny mamba » ary indrindra ny hoe « Tao-trano tsy efan'ny irery».
Dia nipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no any Madagasikara ihany no saha iasan'ny fikambanana ? Amin'izao taonjato mahamora  ny fifandraisana eran-tany izao  dia rariny sy hitsiny tokoa raha mivoaka ny faritry ny Nosy ny Malagasy mitondra izay mba anjara vatony ho enti-manatevina ity tontolo iaraha-mizara ity.
Ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy Poeta Malagasy UPEM-HAVATSA (Sampana eto Frantsa) dia  natsangana araka ny lalàna frantsain'ny 1 jolay 1901  ary nosoratana tany amin'ny Sous-Préfecturen'i ANTONY (Hauts de Seine) tamin'ny 24 desambra 2004 ary mitondra ny laharana 1475 niseho tamin'ny gazetim-panjakana  nivoaka ny 22 janoary 2005.
Ny faniriana raha nanorina ity fikambanana ity izahay dia ny hitondra sy hampiroborobo aty ivelany  aty ny fahendrena malagasy hita indrindra amin'ny alalan'ny asa soratra na vita boky na tsia. Hifanindran-dàlana amin'ny Reny-fikambanana izay efa misy hatry ny ela any an-Tanindrazana ary tsy zoviana intsony amin'ny be sy ny maro fa betsaka ny asa efa vitany.
Ny ho hitanao ato amin'ity tranon-kala izay vao iaraha-mandrary ity  dia :

  • filazalazana fohy momba ireo niara-nientana nanorona ny fikambanana.
  • Asa soratra vitsivitsy nofantenana
  • Vaovaon'ny fikambanana na ny eto Frantsa na ny avy any an-Tanindrazana
  • Vokatra notsongaina teny ho eny
  • Fikarohana sy fandalinana momba ny teny sy haisoratra Malagasy.
  • Filazalazana momba ny mpanoratra iray : Iza moa ?
  • Voambolana satria velona ny teny ka misy hatrany vaovao tsara ho fantatra
  • Raki-tsary.

Ireo aloha no lohahevitra nofantenana handrariana ity tranon-kala ity fa tsy voafetra ireo.
Maro ny Malagasy eto Frantsa no manoratra, koa ho fifaliana ho anay ny hiara-miasa amin'izay rehetra mizara ny fototra ijoroan'ny fikambanana fa ny  Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana.
Manantena aho fa hahaliana anao ny famadibadihana  ny pejin'ity tranon-kala ity.
Ny Filoha